Psalms 89:39 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nofoananao ny fanekena tamin’ny mpanomponao; nolotoinao ny satroboninahiny ka narianao tamin’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanjo narianao sy tsy nasianao raharaha, ary notezeranao ilay Voahosotrao!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Saingy narianao sy nolavinao ilay mpanjaka voahosotrao, satria tezitra taminy Ianao.
Malagasy Bible 1865
Efa nahafoana ny fanekena tamin'ny mpanomponao Hianao; Efa nataonao ho fahavetavetana ny satro-boninahiny ka narianao teny an-tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nofoananao ny fanekena tamin’ny mpanomponao; nolotoinao ny satroboninahiny ka narianao tamin’ny tany.
malagasy
Efa nahafoana ny fanekena tamin'ny mpanomponao Hianao; Efa nataonao ho fahavetavetana ny satro-boninahiny ka narianao teny an-tany.