Psalms 9:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hiverina ho any amin’ny fitoeran’ny maty ny ratsy fanahy, dia ny Jentilisa rehetra izay manadino an’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa niseho i Iaveh nanao ny fitsaràny, ka ny asan-tanan’ny ratsy fanahy ihany no naningorany azy. - Higaiona. - Selà
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampahafantatra ny tenany ny TOMPO fony Izy namoaka ny didim-pitsarany: ny fandrika nataon’ny olon-dratsy no indro nahavoa azy ireo. Fiatoana
Malagasy Bible 1865
Hiverina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hiverina ho any amin’ny fitoeran’ny maty* ny ratsy fanahy, dia ny Jentilisa rehetra izay manadino an’Andriamanitra.
malagasy
Hiverina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an'Andriamanitra.[Heb. Sheola]