Psalms 9:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanarinao mafy ny Jentilisa. Naringanao ny ratsy fanahy, nokosehinao ho faty mandrakizay doria ny anarany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria efa nataonao mahery ny rariny ananako sy ny adiko, nipetraka ho mpitsara marina Ianao, teo amin’ny seza fiandriananao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eo ambonin’ilay sezafiandriananao no ipetrahanao ho Mpitsara marina; ka niaro ny zoko Ianao ary nanome rariny ahy.
Malagasy Bible 1865
Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanarinao mafy ny Jentilisa*. Naringanao ny ratsy fanahy, nokosehinao ho faty mandrakizay doria ny anarany.
malagasy
Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria.