Psalms 9:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Levona ny fahavalo! Mandrakizay ny faharavany! Ary izay tanàna noravanao dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nofaizinao ny firenena, naringanao ny tsy mpivavaka, nokosehinao ho faty mandrakizay antaranoana ny anaran’ireny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Norahonanao ny hafa firenena ary naringanao ny olon-dratsy; nokosehinao ny fahatsiarovana azy mba ho levona mandrakizay.
Malagasy Bible 1865
Ny amin'ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Levona ny fahavalo! Mandrakizay ny faharavany! Ary izay tanàna noravanao dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.
malagasy
Ny amin'ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.[Na: Ry fahavalo tanteraka ho mandrakizay ny fandravana]