Psalms 90:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tompo ô, efa fonenanay hatramin’ny taranaka rehetra Ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vavak’i Môizy, olon’Andriamanitra. Tompo ô, Ianao no aronay amin’ny taona rehetra mifandimby.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vavak’i Mosesy, olon’Andriamanitra. Tompo ô, fialofanay hatrany hatrany Ianao.
Malagasy Bible 1865
Fivavak'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra. Tompo ô, efa fonenanay hatramin'ny taranaka rehetra Hianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tompo ô, efa fonenanay hatramin’ny taranaka rehetra Ianao.
malagasy
[BOKY FAHEFATRA][Ny fiankinan'ny olo-marina amin'Andriamanitra, na dia mandalo faingana aza ny androny sady isehoan'ny fahatezeran'Andriamanitra] Fivavak'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra. Tompo ô, efa fonenanay hatramin'ny taranaka rehetra Hianao.