Psalms 90:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fitopolo taona ny halavan’ny andronay ary raha toa ka mateza aza dia valopolo taona, nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny fa mihelina haingana izany ka lasa manidina izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mahatratra ny fitopolo taona no andronay, valopolo taona no fara fahabetsahany; nefa hasasarana sy fahoriana foana ny voninahiny, fa mihelina faingana izy, dia lasa manidina izahay!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy maharitra afa-tsy fitopolo taona izany, na valopolo taona ho an’izay matanjaka; kanefa hasasarana sy zava-poana no vokany. Mandalo vetivety tokoa izany fiainana ary manidina ho any amin’ny varo-tsy mifody izahay.
Malagasy Bible 1865
Fito-polo taona no andron'ny taonanay Ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, Nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, Fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fitopolo taona ny halavan’ny andronay ary raha toa ka mateza aza dia valopolo taona, nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny fa mihelina haingana izany ka lasa manidina izahay.
malagasy
Fito-polo taona no andron'ny taonanay Ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, Nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, Fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.