Psalms 93:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
NY TOMPO no Mpanjaka! Mitafy voninahitra Izy; NY TOMPO mitafy, eny, misikina hery Izy; koa izao rehetra izao dia nampitoerina ka tsy hihetsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mpanjaka i Iaveh, mitafy fiandrianana Izy, mitafy i Iaveh, misikina hery Izy: ka miorina mafy izao tontolo izao fa tsy mangozohozo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mpanjaka ny TOMPO, mitafy fiandrianana; eny, mitafy fiandrianana IZY ary misikina hery ka voaorina tsara tsy hihontsona izao tontolo izao.
Malagasy Bible 1865
Jehovah no Mpanjaka mitafy voninahitra Izy; Jehovah mitafy, eny, misikina hery Izy; Ary izao rehetra izao nampitoerina ka tsy hihetsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
NY TOMPO no Mpanjaka! Mitafy voninahitra Izy; NY TOMPO mitafy, eny, misikina hery Izy; koa izao rehetra izao dia nampitoerina ka tsy hihetsika.
malagasy
[Ny fiandrianan'Andriamanitra] Jehovah no Mpanjaka mitafy voninahitra Izy; Jehovah mitafy, eny, misikina hery Izy; Ary izao rehetra izao nampitoerina ka tsy hihetsika.