Psalms 98:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mihirà fihiram-baovao ho an’NY TOMPO; fa nanao fahagagana Izy; ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Salamo. Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh, fa nanao fahagagana Izy. Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahazoany ny fandresena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Salamo nataon’i Davida. Mihirà hira vao ho an’ny TOMPO fa nahavita zava-mahagaga Izy! Ny hery sy ny fahefana ananany no nampiasainy hahazoam-pandresena.
Malagasy Bible 1865
Fihirana. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah; Fa efa nanao fahagagana Izy; Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mihirà fihiram-baovao ho an’NY TOMPO; fa nanao fahagagana Izy; ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena.
malagasy
[Fifaliana amin'Andriamanitra noho ny nanehoany ny famonjeny sy ny fahamarinany] Fihirana. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah; Fa efa nanao fahagagana Izy; Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena.