Psalms 98:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahatsiaro ny famindrampony sy ny fahamarinany tamin’ny taranak’Israely Izy; nahita ny famonjen’Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Notsarovany ny hatsaram-pony amam-pahamarinany amin’ny taranak’i Israely. Ny vazantany efatra, nahita ny famonjen’ny Andriamanitsika avokoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy nohadinoin’ny Tompo, ry terak’i Israely, ny naneho fitia sy toetra mahatoky tamintsika; ka dia hitan’ny vahoaka hatrany am-paran’ny tany fa nandresy tokoa ilay Andriamanitsika.
Malagasy Bible 1865
Efa nahatsiaro ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin'ny taranak'i Isiraely Izy; Efa nahita ny famonjen'Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahatsiaro ny famindrampony sy ny fahamarinany tamin’ny taranak’Israely Izy; nahita ny famonjen’Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.
malagasy
Efa nahatsiaro ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin'ny taranak'i Isiraely Izy; Efa nahita ny famonjen'Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.