Psalms 99:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
NY TOMPO no Mpanjaka! Aoka hangovitra ny firenena. Mipetraka eo amin’ny kerobima Izy, mihorohoro ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mpanjaka i Iaveh; mangovitra ny firenena; mipetraka eo amin’ny Kerobima Izy; mangozohozo ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny TOMPO no mpanjaka, hany ka mangovitra ireo vahoaka. Ambony kerobima ny sezafiandrianany, hany ka mihorohoro ny tany.
Malagasy Bible 1865
Jehovah no Mpanjaka aoka hangovitra ny firenena; Mipetraka amin'ny kerobima Izy, aoka hihorohoro ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
NY TOMPO no Mpanjaka! Aoka hangovitra ny firenena. Mipetraka eo amin’ny kerobima* Izy, mihorohoro ny tany.
malagasy
[Fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra noho ny fahalehibiazany sy ny fahamarinany] Jehovah no Mpanjaka aoka hangovitra ny firenena; Mipetraka amin'ny kerobima Izy, aoka hihorohoro ny tany.