Revelation 1:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary teo afovoan’ny fitoeran-jiro dia nisy Iray tahaka ny Zanak’Olona niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nitondra fehikibo volamena teo amin’ny tratrany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary teo afovoan’ireo fanaovan-jiro ireo, dia nisy anankiray toy ny Zanak’olona, niakanjo akanjo rebareba, nietra fehikibo volamena teo amin’ny tratrany;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary teo afovoan’ireo fitoeranjiro ireo dia nisy tahatahaka ny Zanak’olona, niakanjo akanjo lava, nanao etra volamena manodidina ny tratrany;
Malagasy Bible 1865
ary teo afovoan'ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak'olona niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary teo afovoan’ny fitoeran-jiro dia nisy Iray tahaka ny Zanak’Olona* niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nitondra fehikibo volamena teo amin’ny tratrany.
malagasy
ary teo afovoan'ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak'olona niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany.[Na: toa zanak'olona]