Revelation 1:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izaho Jaona, rahalahinareo sy mpiombona amin’ny fahoriana ary amin’ny fanjakana sy ny fiaretana ao amin’i Jesosy, dia tao amin’ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin’Andriamanitra sy ny filazana an’i Jesosy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izaho Joany, havanareo sy namanareo amin’ny fahoriana sy fanjakana ary fandeferana ao amin’i Jesoa Kristy, dia tao amin’ny nosy anankiray atao hoe Patmosy, noho ny amin’ny tenin’Andriamanitra sy ny fanambaràn’i Jesoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Jôhany havanareo aho. Tafaray amin’i Jesoa aho ka mpiombona anjara amin’ny fahoriany sy ny fanjakany ary ny faharetany miaraka aminareo. Napetraka tao amin’ny nosy antsoina hoe Pàtmo aho satria nitory ny tenin’Andriamanitra sy nitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona.
Malagasy Bible 1865
Izaho Jaona, rahalahinareo sy namanareo amin'ny fahoriana ary amin'ny fanjakana sy ny faharetana ao amin'i Jesosy, dia tao amin'ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izaho Jaona, rahalahinareo sy mpiombona amin’ny fahoriana ary amin’ny fanjakana sy ny fiaretana ao amin’i Jesosy, dia tao amin’ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin’Andriamanitra sy ny filazana an’i Jesosy.
malagasy
[Ny fisehoan'ny voninahitr'i Kristy] Izaho Jaona, rahalahinareo sy namanareo amin'ny fahoriana ary amin'ny fanjakana sy ny faharetana ao amin'i Jesosy, dia tao amin'ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy.