Revelation 10:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitako fa indro, nisy anjely mahery iray koa nidina avy tany an-danitra sady nitafy rahona; nisy avana teo ambonin’ny lohany, ary ny tavany dia tahaka ny masoandro ary ny tongony dia tahaka ny andry afo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nahita Anjely anankiray hafa koa aho, nidina avy any an-danitra ka rahona no nitafiany, avana no teo ambony lohany, tahaka ny masoandro ny tarehiny, ary sahala amin’ny andry afo ny tongony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hitako nisy anjely anankiray hafa manan-kery, nidina avy tany an-danitra: ka rahona no toy ny lamba nisalorany; voahodidin’avana ny lohany; namiratra tahaka ny masoandro ny tavany; mivaivay tahaka ny andry afo ny tongony;
Malagasy Bible 1865
Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery anankiray koa, nidina ary tany an-danitra sady nitafy rahona; ary ny avana dia teo amin'ny lohany, ary ny tavany dia tahaka ny masoandro, ary ny tongony tahaka ny andry afo,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitako fa indro, nisy anjely mahery iray koa nidina avy tany an-danitra sady nitafy rahona; nisy avana teo ambonin’ny lohany, ary ny tavany dia tahaka ny masoandro ary ny tongony dia tahaka ny andry afo.
malagasy
[Ny teny nentin'ny anjely anankiray, ary ny amin'ny kotrokorana fito sy ny boky kely] Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery anankiray koa, nidina ary tany an-danitra sady nitafy rahona; ary ny avana dia teo amin'ny lohany, ary ny tavany dia tahaka ny masoandro, ary ny tongony tahaka ny andry afo,