Revelation 10:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa nandefa ny feony ny kotrokorana fito dia handeha hanoratra aho, kanjo nahare feo avy tany an-danitra aho hoe: Asio tombo-kase izay notononin’ny kotrokorana fito fa aza soratana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nandre ny feon-kotrokorana fito aho, dia ndeha hanoratra, kanjo nandre feo avy any an-danitra nanao tamiko hoe: «Asio tombokase ny voalazan’ny kotrokorana fito, fa aza soratana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa namaly azy ny kotro-baratra fito, dia ndeha hanoratra aho; kanjo reko nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Tano ho anao izay voalazan’ny kotro-baratra fito, fa aza soratana!
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nikotroka ny kotrokorana fito, dia efa hanoratra aho, kanjo nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Asio tombo-kase izay efa notononin'ny kotrokorana fito, fa aza soratana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa nandefa ny feony ny kotrokorana fito dia handeha hanoratra aho, kanjo nahare feo avy tany an-danitra aho hoe: Asio tombo-kase izay notononin’ny kotrokorana fito fa aza soratana.
malagasy
Ary rehefa nikotroka ny kotrokorana fito, dia efa hanoratra aho, kanjo nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Asio tombo-kase izay efa notononin'ny kotrokorana fito, fa aza soratana.