Revelation 10:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka nianiana tamin’Izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy, ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy, fa tsy hisy fotoana andrasana intsony,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nianiana tamin’ilay Velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra mbamin’izay ao aminy, sy ny tany mbamin’izay ao aminy ary ny ranomasina mbamin’izay ao aminy, fa tsy hisy andro intsony;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sady nianiana tamin’Ilay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny habakabaka mbamin’izay ao aminy, sy ny tany mbamin’izay ao aminy, ary ny ranomasina mbamin’izay ao aminy; ka hoy ilay anjely hoe: –Tsy hisy hataka andro intsony!
Malagasy Bible 1865
ary nianiana tamin'izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy ary ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy fa tsy hisy andro intsony;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka nianiana tamin’Izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy, ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy, fa tsy hisy fotoana andrasana intsony,
malagasy
ary nianiana tamin'izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy ary ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy fa tsy hisy andro intsony; [ Na: tsy ho ela]