Revelation 11:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitsoka ny anjely fahafito dia nisy feo mafy tany an-danitra niteny hoe: Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia lasan’ny Tompontsika sy ny Kristiny; hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahafito, ka nisy feo mahery avy any an-danitra nanao hoe: «Lasan’ny Tompontsika sy ilay Kristiny ny fanjakan’izao tontolo izao, ka hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nitsoka trompetra ny anjely fahafito, ka nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: «Efa lasan’ny Tompontsika sy ilay Mesiany ny fanjakana amin’izao tontolo izao, ka ho fanjakana maharitra mandrakizay izany!»
Malagasy Bible 1865
Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nitsoka ny anjely fahafito dia nisy feo mafy tany an-danitra niteny hoe: Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia lasan’ny Tompontsika sy ny Kristiny; hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy!
malagasy
[Ny nitsofana ny trompetra fahafito, sy ny nahatongavan'ny Joza fahatelo] Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.