Revelation 11:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary novohana ny tempolin’Andriamanitra any an-danitra ka niseho tao anatin’ny tempoliny ny vata misy ny fanekeny; ary nisy tselatra, feo, kotrokorana, horohoron-tany ary havandra vaventy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia novohaina ny Tempolin’Andriamanitra any an-danitra, ka niseho teo anatin’ny Tempoliny ny fiaran’ny fanekena; ary nisy tselatra sy tabataba ary kotro-baratra sy horohoron-tany mbamin’ny havandra vaventy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novohana ny tempoli n’Andriamanitra any an-danitra, ka niseho teo anatin’ny tempolin’Andriamanitra ilay vata mirakitra ny fanekempihavanana nataony; ary nisy tselatra sy kotrokorana ary kotro-baratra sy horohorontany mbamin’ny havandra vaventy.
Malagasy Bible 1865
Ary novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary novohana ny tempolin’Andriamanitra any an-danitra ka niseho tao anatin’ny tempoliny ny vata misy ny fanekeny; ary nisy tselatra, feo, kotrokorana, horohoron-tany ary havandra vaventy.
malagasy
Ary novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy.