Revelation 11:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izy ireo dia manana fahefana handrindrina ny lanitra mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny andro aminaniany; ary manana fahefana amin’ny rano koa izy hampody azy ho ra sy hamely ny tany amin’ny loza araka izay andro tiany na oviana na oviana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manam-pahefana hanidy ny lanitra izy ireo, mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny andro haminaniany; sady manam-pahefana amin’ny rano koa izy, ka mahova azy ho ra, sy hamely ny tany amin’ny loza rehetra isaky ny te-hanao izany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo no manam-pahefana hanidy ny lanitra, mba tsy hilatsahan’ny ranonorana mandritra ny andro hampitany ny hafatr’Andriamanitra; sady manam-pahefana amin’ny rano, ka mahova azy ho ra; ary manam-pahefana hamely ny tany amin’ny loza rehetra isaky ny te hanao izany.
Malagasy Bible 1865
Ireo dia manam-pahefana handrindrina ny lanitra, mba tsy hilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro aminaniany; ary manam-pahefana amin'ny rano koa izy hampody azy ho rà sy hamely ny tany amin'ny loza araka izay andro tiany na oviana na oviana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izy ireo dia manana fahefana handrindrina ny lanitra mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny andro aminaniany; ary manana fahefana amin’ny rano koa izy hampody azy ho ra sy hamely ny tany amin’ny loza araka izay andro tiany na oviana na oviana.
malagasy