Revelation 12:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin’ny tongony ary misy satroboninahitra kintana roa amby folo amin’ny lohany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony inona, nisy famantarana lehibe niseho teny an-danitra, dia Vehivavy anankiray nitafy masoandro, ny volana no teo an-tongony, kintana roa ambin’ny folo no satroboninahitra teny an-dohany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nisy famantarana lehibe niseho teny amin’ny habakabaka, dia vehivavy anankiray: ny masoandro no toy ny lamba nisalorany, ny volana no teo an-tongony; ary kintana 12 no satroboninahitra teo amin’ny lohany.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin'ny tongony, ary misy satro-boninahitra kintana roa ambin'ny folo amin'ny lohany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin’ny tongony ary misy satroboninahitra kintana roa amby folo amin’ny lohany.
malagasy
[Ny amin'ny vehivavy mitafy ny masoandro, izay nenjehin'ny dragona] Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin'ny tongony, ary misy satro-boninahitra kintana roa ambin'ny folo amin'ny lohany,