Revelation 12:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho niteny hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena, ny hery, ny fanjakan’Andriamanitsika ary ny fahefan’ny Kristiny, satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan’Andriamanitsika andro aman’alina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandre feo mahery tany an-danitra aho, nanao hoe: «Ankehitriny dia an’Andriamanitra ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakana; an’i Kristiny koa ny fahefana; efa voazera ilay mpiampanga ny namantsîka, dia ilay miampanga azy andro aman’alina eo anatrehan’ny Andriamanitsika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia reko nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: «Tonga izao ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakàn’ilay Andriamanitsika, tonga izao ny fahefàn’ilay Mesiany; satria nazera ilay mpiampanga an’ireo havantsika, dia ilay mpiampanga azy ireo andro aman’alina teo anatrehan’Andriamanitsika.
Malagasy Bible 1865
Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, Ary ny fahefan'ny Kristiny, Satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho niteny hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena, ny hery, ny fanjakan’Andriamanitsika ary ny fahefan’ny Kristiny, satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan’Andriamanitsika andro aman’alina.
malagasy