Revelation 12:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra ka indro, nisy dragona mena lehibe manana loha fito sy tandroka folo ary misy diadema fito amin’ny lohany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy famantarana hafa koa niseho teny an-danitra, dia Dragona mena lehibe anankiray nitranga tampoka, fito ny lohany, folo ny tandrony, ary satroboninahitra fito no teny an-dohany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nisy famantarana hafa koa niseho teny amin’ny habakabaka: indro nisy dràgona mena lehibe, manana loha fito sy tandroka folo, ary misy satroboninahitra iray avy isaky ny lohany.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin'ny lohany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra ka indro, nisy dragona mena lehibe manana loha fito sy tandroka folo ary misy diadema fito amin’ny lohany.
malagasy
Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin'ny lohany.