Revelation 12:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ravehivavy kosa dia nandositra nankany an-tany efitra, izay efa nisy toerany namboarin’Andriamanitra mba hovelomina any enimpolo sy roanjato sy arivo andro izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa Ravehivavy kosa nandositra nankany an’efitra, fa any no nanamboaran’Andriamanitra toerana ho azy, mba hamelomana azy mandritra ny enimpolo amby roan-jato sy arivo andro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ravehivavy kosa nandositra nankany an-taniefitra, izay nisy toerana namboarin’Andriamanitra mba hamelomana azy mandritra ny 1 260 andro.
Malagasy Bible 1865
Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerany namboarin'Andriamanitra, mba hovelomina any enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ravehivavy kosa dia nandositra nankany an-tany efitra, izay efa nisy toerany namboarin’Andriamanitra mba hovelomina any enimpolo sy roanjato sy arivo andro izy.
malagasy
Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerany namboarin'Andriamanitra, mba hovelomina any enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy.