Revelation 12:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nazera ilay dragona lehibe, dia ilay menarana tranainy, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; nazera tamin’ny tany izy ary ny anjeliny koa dia niaraka nazera taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nazera ity Dragona lehibe, dia ilay menarana antitra atao hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; ny tenany moa nazera tamin’ny tany, ny anjeliny koa nazera niaraka aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nazera ilay dràgona, dia ilay bibilava fahizay, ilay atao hoe devoly na hoe Satàna, izay mamitaka izao tontolo rehetra izao; nazera tamin’ny tany izy ary nazera niaraka taminy koa ireo anjeliny.
Malagasy Bible 1865
Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nazera ilay dragona lehibe, dia ilay menarana tranainy, izay atao hoe devoly* sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; nazera tamin’ny tany izy ary ny anjeliny koa dia niaraka nazera taminy.
malagasy
Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.