Revelation 13:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitako fa indro, nisy bibidia niakatra avy tao amin’ny ranomasina, nanana tandroka folo sy loha fito, ary tamin’ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin’ny lohany dia nisy anarana miteny ratsy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izany, dia nahita Biby anankiray niakatra avy amin’ny ranomasina aho; fito ny lohany, folo ny tandrony, satroboninahitra folo no teny an-tandrony, ary anarana fanevatevana an’Andriamanitra no tamin’ny lohany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nahita biby anankiray nipoitra avy tany an-dranomasina aho; nanana tandroka folo sy loha fito izy; nisy satroboninahitra iray avy isaky ny tandrony; ary nisy anarana iray manevateva an’Andriamanitra isaky ny lohany.
Malagasy Bible 1865
Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia niakatra avy tamin'ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin'ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin'ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitako fa indro, nisy bibidia niakatra avy tao amin’ny ranomasina, nanana tandroka* folo sy loha fito, ary tamin’ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin’ny lohany dia nisy anarana miteny ratsy.
malagasy
[Ny amin'ny biby roa izay mpanompon'ny dragona] Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia niakatra avy tamin'ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin'ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin'ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy. [ Gr. blasfemia; izahao Mat. IX, 3]