Revelation 13:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy mamabo dia mba hobaboina izy; ary raha misy mamono amin’ny sabatra dia tsy maintsy hovonoina amin’ny sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny finoan’ny olona masina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay tokony ho amin’ny fahababoana, dia mankany amin’ny fahababoana; izay mamono amin’ny sabatra tsy maintsy hovonoina amin’ny sabatra. Toy izany no fandeferana sy finoan’ny olo-masina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha misy natao ho amin’ny fahababoana, dia hankany amin’ny fahababoana izy; raha misy natao ho fatin’ny sabatra, dia ho fatin’ny sabatra izy. Amin’izany no ilana ny faharetana sy ny finoana eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra.»
Malagasy Bible 1865
Raha misy mamabo, dia mba hobaboina kosa izy; ary raha misy mamono amin'ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin'ny sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny finoan'ny olona masina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy mamabo dia mba hobaboina izy; ary raha misy mamono amin’ny sabatra dia tsy maintsy hovonoina amin’ny sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny finoan’ny olona masina.
malagasy
Raha misy mamabo, dia mba hobaboina kosa izy; ary raha misy mamono amin'ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin'ny sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny finoan'ny olona masina. [ Na: Raha misy ho amin'ny fahababoana, dia ho amin'ny fahababoana izy]