Revelation 13:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny fahefana rehetra nananan’ilay bibidia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin’izay monina ao dia asainy miankohoka eo anoloan’ilay bibidia voalohany izay sitrana tamin’ilay feriny saika nahafaty azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nampiasainy avokoa ny fahefan’ilay Biby voalohany eo anatrehany, ary nampivavahiny tamin’ilay Biby voalohany, sitrana tamin’ny fery saika nahafaty azy, ny tany mbamin’izay monina ao aminy, niakatra avy amin’ny tany; roa toy ny an’ny zanak’ondry ny tandrony, ary niteny toy ny dragona izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ampiasainy avokoa ny fahefàn’ilay biby voalohany ka asehony eo anatrehany; ary ny tany mbamin’izay mponina ao aminy dia asainy mivavaka eo anoloan’ilay biby voalohany, izay efa sitrana tamin’ilay ratra saiky nahafaty azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fahefana rehetra nananan'ilay bibi-dia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin'izay monina eo dia asainy miankohoka eo alohan'ilay bibi-dia voalohany, izay efa sitrana tamin'ilay feriny saiky nahafaty azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny fahefana rehetra nananan’ilay bibidia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin’izay monina ao dia asainy miankohoka eo anoloan’ilay bibidia voalohany izay sitrana tamin’ilay feriny saika nahafaty azy.
malagasy