Revelation 13:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mamitaka izay monina ambonin’ny tany izy amin’ny famantarana izay nomena azy hatao eo imason’ny bibidia sady milaza amin’izay monina ambonin’ny tany koa mba hanao sarin’ny bibidia izay voan’ny sabatra, nefa velona ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary namitaka ny mponina amin’ny tany tamin’ny fahagagana nomena hataony teo anatrehan’ny Biby, nasainy nanao sarin’ilay Biby naratry ny sabatra nefa velona ihany, ny mponina eto an-tany;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary mamitaka ny mponina ambonin’ny tany izy amin’ny zava-mampitolagaga nomena hataony eo anatrehan’ilay biby voalohany. Milaza amin’ny mponina ambonin’ny tany koa ny biby faharoa mba hanao sary ho fanajana ilay biby voalohany, izay voaratran’ny sabatra nefa velona ihany.
Malagasy Bible 1865
Ary mamitaka izay monina ambonin'ny tany izy amin'ny famantarana izay nomena ary hatao eo imason'ny bibi-dia, sady milaza amin'izay monina ambonin'ny tany koa mba hanao sary ho an'ny bibi-dia, izay voan'ny sabatra, nefa velona ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mamitaka izay monina ambonin’ny tany izy amin’ny famantarana izay nomena azy hatao eo imason’ny bibidia sady milaza amin’izay monina ambonin’ny tany koa mba hanao sarin’ny bibidia izay voan’ny sabatra, nefa velona ihany.
malagasy