Revelation 13:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isa mariky ny bibidia, fa isa mariky ny olona izany: Enina amby enimpolo sy eninjato izany isa marika izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eto no ilàna fahendrena! Ka aoka izay manan-tsaina hamantatra ny isan’ny Biby, fa isa milaza olona izany, ary enina amby enimpolo sy enin-jato izany isa izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eto no ilàna fahendrena! Izay manan-tsaina, aoka hanombantombana ny isa mifandraika amin’ilay biby, fa isa milaza olona izany; ary 666 no isa mifandraika aminy.
Malagasy Bible 1865
Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibi-dia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isa mariky ny bibidia, fa isa mariky ny olona izany: Enina amby enimpolo sy eninjato izany isa marika izany.
malagasy
Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibi-dia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany.