Revelation 13:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny bibidia izay hitako dia tahaka ny leoparda, ny tongony dia tahaka ny an’ny bera, ary ny vavany dia tahaka ny vavan’ny liona. Nomen’ilay dragona azy ny heriny sy ny sezafiandrianany ary fahefana lehibe.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sahala amin’ny leoparda ilay Biby hitako; toy ny tongotr’orsa ny tongony, tahaka ny vavan-diona ny vavany. Nomen’ilay Dragona azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ilay biby izay hitako dia sahala amin’ny leoparda; saingy tahaka ny tongotr’orsa ny tongony, ary tahaka ny vavan’ny liona ny vavany. Nomen’ilay dràgona azy ny heriny sy ny sezafiandrianany ary fahefana lehibe.
Malagasy Bible 1865
Ary ny bibi-dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny an'ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan'ny liona; ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny bibidia izay hitako dia tahaka ny leoparda, ny tongony dia tahaka ny an’ny bera, ary ny vavany dia tahaka ny vavan’ny liona. Nomen’ilay dragona azy ny heriny sy ny sezafiandrianany ary fahefana lehibe.
malagasy