Revelation 13:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nomena lela miteny zavatra mihoa-pampana sy fitenenan-dratsy izy ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efapolo volana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nomena vava mitsaontsaona sy manevateva an’Andriamanitra izy, sady nomena fahefana hanaram-po roa amby efapolo volana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nomena vava midaondaona sy manevateva an’Andriamanitra ilay biby, sady nomena fahefana mba hiasa mandritra ny 42 volana.
Malagasy Bible 1865
Dia nomena lela miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy izy, ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efa-polo volana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nomena lela miteny zavatra mihoa-pampana sy fitenenan-dratsy izy ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efapolo volana.
malagasy
Dia nomena lela miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy izy, ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efa-polo volana. [ Gr. vava] [ Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX. 3] [ Na: haharitra]