Revelation 14:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitako fa indro, ny Zanak’ondry dia nitsangana teo amin’ny tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy nomba Azy, samy manana ny anarany sy ny anaran’ny Rainy voasoratra eo amin’ny handriny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nijery indray aho, ka indro nitsangana teo an-tendrombohitr’i Siôna ny Zanak’ondry; olona 144.000 no nanaraka Azy, ary voasoratra teo an-kandrin’ireo ny Anarany sy ny Anaran-dRainy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia indro hitako nijoro teo an-tendrombohitra Tsiôna ny Zanakondry; ary nisy olona 144 000 nomba Azy, samy manana ny anaran’ny Zanakondry sy ny anaran’ny Rainy voasoratra eo amin’ny handriny.
Malagasy Bible 1865
Ary hitako fa, indro, ny Zanak'ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Ary, samy manana ny anarany sy ny anaran'ny Rainy voasoratra eo amin'ny handriny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitako fa indro, ny Zanak’ondry dia nitsangana teo amin’ny tendrombohitra Ziona*, ary nisy efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy nomba Azy, samy manana ny anarany sy ny anaran’ny Rainy voasoratra eo amin’ny handriny.
malagasy
[Ny amin'ny Zanak'ondry sy ny mpanaraka Azy] Ary hitako fa, indro, ny Zanak'ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Ary, samy manana ny anarany sy ny anaran'ny Rainy voasoratra eo amin'ny handriny.