Revelation 14:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nahare feo avy tany an-danitra aho niteny hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ny Tompo, hatramin’izao! Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’izay nisasarany izy, fa ny asany manaraka azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nandre feo avy any an-danitra aho, nanao hoe: Soraty: Sambatra hatramin’izao ny maty izay maty ao amin’ny Tompo. Eny, hoy ny Fanahy, aoka hiala sasatra amin’ny asany izy, ka ny asany hanaraka azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary reko nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Soraty izao: «Sambatra ireo maty, izay maty amin’ny fanompoana ny Tompo manomboka izao! Eny, hoy ny Fanahy Masina, aoka izy ireo hahazo fitoniana amin’ny fisasarany, fa ny asany manaraka azy.»
Malagasy Bible 1865
Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin'ny Tompo hatramin'izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nahare feo avy tany an-danitra aho niteny hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ny Tompo, hatramin’izao! Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’izay nisasarany izy, fa ny asany manaraka azy.
malagasy