Revelation 14:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin’ny tempoly, niantso tamin’ny feo mahery ka niteny tamin’Ilay nipetraka teo ambonin’ny rahona hoe: Arosoy ny antsimbarinao ka mijinjà! Satria tonga ny andro fijinjana fa efa masaka ny vokatry ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy Anjely iray koa nivoaka avy ao amin’ny Tempoly, niantso tamin’ny feo mahery, ka nanao tamin’ilay nipetraka tambonin’ny rahona hoe: Alefaso ny antsy fijinjànao, ka mijinjà, fa tonga ny taom-pijinjana, satria masaka ny vokatry ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nisy anjely anankiray nivoaka avy tao amin’ny tempoly, sady niantso tamin’ny feo mahery ka nanao tamin’Ilay nipetraka teo ambony rahona hoe: «Ampiasao ny antsy fijinjànao, ka mijinjà; fa tonga ny taom-pijinjana, satria toy ny vokatra efa masaka dia masaka ny tany.»
Malagasy Bible 1865
Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin'ny tempoly, niantso tamin'ny feo mahery ka nanao tamin'ilay nipetraka teo ambonin'ny rahona hoe: Arosoy ny fijinjanao, ka mijinjà, satria tonga ny andro fijinjana; fa masaka dia masaka ny vokatry ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin’ny tempoly, niantso tamin’ny feo mahery ka niteny tamin’Ilay nipetraka teo ambonin’ny rahona hoe: Arosoy ny antsimbarinao ka mijinjà! Satria tonga ny andro fijinjana fa efa masaka ny vokatry ny tany.
malagasy
Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin'ny tempoly, niantso tamin'ny feo mahery ka nanao tamin'ilay nipetraka teo ambonin'ny rahona hoe: Arosoy ny fijinjanao, ka mijinjà, satria tonga ny andro fijinjana; fa masaka dia masaka ny vokatry ny tany. [ Gr. ora]