Revelation 14:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy anjely iray koa nivoaka avy teo amin’ny alitara, ary nanana fahefana tamin’ny afo izy; niantso ilay nanana ny antsimbary maranitra tamin’ny feo mahery izy hoe: Arosoy ny antsimbarinao maranitra ka angony ny sampahom-boaloboka eo amin’ny tany; fa masaka tsara ny voalobony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nivoaka avy eo amin’ny ôtely ity Anjely manam-pahefana amin’ny afo; niantso tamin’ny feo mahery, ka nilaza tamin’ilay nitana antsy fijinjana maranitra hoe: Alefaso ny antsy fijinjànao, ka toazy ny sampahom-boaloboka eny amin’ny tanimboaloboky ny tany, fa efa masaka ny voany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nisy anjely anankiray hafa koa nipoitra avy teo amin’ny alitara, dia anjely manam-pahefana amin’ny afo. Niantso tamin’ny feo mahery izy ka nanao tamin’ilay anjely manana antsy maranitra fijinjana hoe: «Ampiasao ny antsy fijinjànao ka otoazy ny sampahom-boaloboka eny amin’ny tany; fa masaka tsara ny voalobony.»
Malagasy Bible 1865
Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy teo amin'ny alitara, ary nanana fahefana tamin'ny afo izy; ary izy niantso ilay nanana ny fijinjana maranitra tamin'ny feo mahery hoe: Arosoy ny fijinjanao maranitra, ka angòny ny sampahom-boaloboka eo amin'ny tany; fa masaka tsara ny voalobony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy anjely iray koa nivoaka avy teo amin’ny alitara, ary nanana fahefana tamin’ny afo izy; niantso ilay nanana ny antsimbary maranitra tamin’ny feo mahery izy hoe: Arosoy ny antsimbarinao maranitra ka angony ny sampahom-boaloboka eo amin’ny tany; fa masaka tsara ny voalobony.
malagasy