Revelation 14:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon’ny ranobe sy tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy; ary ny feo izay reko dia tahaka ny an’ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandre feo avy any an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon’ny ranobe sy ny feon-kotro-baratra mafy; ary ny feony izay reko dia toy ny kônsertry ny mpitendry harpa mitendry harpa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, dia feo mireondreona tahaka ny akon’ny rian-drano sy ny kotro-baratra mafy. Ny feo izay reko dia tahaka ny mozikan’ireo mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.
Malagasy Bible 1865
Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon'ny rano be sy tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy; ary ny feo izay reko dia tahaka ny an'ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon’ny ranobe sy tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy; ary ny feo izay reko dia tahaka ny an’ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.
malagasy