Revelation 14:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nohitsakitsahina teny ivelan’ny tanàna ny famiazam-boaloboka ary avy tao amin’ny famiazam-boaloboka dia nisy ra nahadifotra hatramin’ny lamboridin-tsoavaly ka tonga hatramin’ny eninjato sy arivo stadio.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nohosena teny ivelan’ny tanàna ny famiazana, ka ra nahadifotra hatramin’ny vin-damboridin-tsoavaly no nivoaka avy ao, sy nitobaka hatramin’ny enin-jato sy arivo stady.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nohosena ny famiazana izay ivelan’ny tanàna; ka nivoaka ra ny famiazana, dia ra nitobaka hatrany amin’ny telonjato kilaometatra ary nahatratra iray metatra sy sasany ny halaliny.
Malagasy Bible 1865
Ary voahitsaka teny ivelan'ny tanàna ny famiazana, ary avy tao amin'ny famiazana dia nisy rà nahadifotra hatramin'ny lamboridin-tsoavaly ka lasa hatramin'ny enin-jato amby arivo stadio.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nohitsakitsahina teny ivelan’ny tanàna ny famiazam-boaloboka ary avy tao amin’ny famiazam-boaloboka dia nisy ra nahadifotra hatramin’ny lamboridin-tsoavaly ka tonga hatramin’ny eninjato sy arivo stadio*.
malagasy
Ary voahitsaka teny ivelan'ny tanàna ny famiazana, ary avy tao amin'ny famiazana dia nisy rà nahadifotra hatramin'ny lamboridin-tsoavaly ka lasa hatramin'ny enin-jato amby arivo stadio.