Revelation 14:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary mihira toa tononkira vaovao eo anoloan’ny sezafiandrianana sy eo anatrehan’ny zavamananaina efatra sy ny loholona izy. Tsy nisy afaka nianatra izany tononkira izany, afa-tsy ny efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy izay navotana niala tamin’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nihira toa hira vaovao izy ireo, teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra ary teo anatrehan’ireo Anti-dahy; ka tsy nisy nahazo nanao izany hira izany, afa-tsy izy 144.000 ireo, izay navotana ho afaka amin’ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo olona 144 000 ireo dia niventy toa hira vaovao teo anoloan’ny sezafiandrianana sy teo anatrehan’ireo zava-miaina efatra ary teo anatrehan’ireo loholona; ka tsy nisy nahay nianatra izany hira izany, afa-tsy ireo olona 144 000 izay efa navotana niala tamin’ny tany.
Malagasy Bible 1865
Ary mihira toa tonon-kira vaovao eo anoloan'ny seza fiandrianana sy eo anatrehan'ny zava-manan'aina efatra sy ny loholona izy; ary tsy nisy nahay nianatra izany fihirana izany, afa-tsy ny efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy izay navotana niala tamin'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary mihira toa tononkira vaovao eo anoloan’ny sezafiandrianana sy eo anatrehan’ny zavamananaina efatra sy ny loholona izy. Tsy nisy afaka nianatra izany tononkira izany, afa-tsy ny efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy izay navotana niala tamin’ny tany.
malagasy
Ary mihira toa tonon-kira vaovao eo anoloan'ny seza fiandrianana sy eo anatrehan'ny zava-manan'aina efatra sy ny loholona izy; ary tsy nisy nahay nianatra izany fihirana izany, afa-tsy ny efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy izay navotana niala tamin'ny tany. [ Gr. presbytera]