Revelation 14:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitako fa indro, nisy anjely iray hafa koa nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana Filazantsara mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena, ny fokom-pirenena, ny samihafa fiteny ary ny olom-pirenena rehetra,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nahita Anjely anankiray hafa koa aho, nanidina teo afovoan’ny lanitra, nitondra ny Evanjely mandrakizay, hotorîny amin’ny mponina eto an-tany, dia amin’ny firenena rehetra, sy amin’ny foko aman-tsamihafa fiteny, mbamin’ny fanjakana rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hitako nisy anjely anankiray hafa koa nanidina teny amin’ny habakabaka farany ambony. Io anjely io dia nanana hafatra soa maharitra mandrakizay hotorîny amin’izay monina ambonin’ny tany, dia amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena mbamin’ny olona samy hafa fiteny sy ny vahoaka isan-tokony;
Malagasy Bible 1865
Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitako fa indro, nisy anjely iray hafa koa nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana Filazantsara mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena, ny fokom-pirenena, ny samihafa fiteny ary ny olom-pirenena rehetra,
malagasy
[Ny amin'ny anjely telo izay nitory, sy ny fahasambaran'izay maty ao amin'ny Tompo, ary ny andro fijinjana] Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra,