Revelation 14:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy iray hafa koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka niteny tamin’ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan’ny bibidia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin’ny handriny na amin’ny tanany,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy Anjely fahatelo nanaraka ireo koa, nanao tamin’ny feo mahery hoe: Raha misy mivavaka amin’ny Biby sy ny sariny, ka mandray ny mariny eo amin’ny handriny, na eo amin’ny tanany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanaraka an’ireo anjely anankiroa ireo dia nisy anjely fahatelo nanao tamin’ny feo mahery hoe: «Raha misy mivavaka amin’ilay biby sy ny sariny, ka mandray ny marik’ilay biby eo amin’ny handriny na eo amin’ny tanany,
Malagasy Bible 1865
Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy iray hafa koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka niteny tamin’ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan’ny bibidia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin’ny handriny na amin’ny tanany,
malagasy