Revelation 15:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitako fa indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe no mahagaga, dia anjely fito izay nitana ny loza fito farany satria ireny no hoenti-manatanteraka ny fahatezeran’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izany, dia nahita famantarana hafa sady lehibe no mahagaga tany an-danitra aho, dia Anjely fito nitondra loza fito farany, fa amin’ireo no hanaperana ny fahatezeran’Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hitako nisy famantarana anankiray hafa tany an-danitra, famantarana sady lehibe no mahagaga: dia anjely fito izay nanana ny loza fito farany, satria amin’ireo loza ireo no hiseho faran’izay mafy indrindra ny haviniran ’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny Ioza fito farany, Satria ireny no enti-mahatanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitako fa indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe no mahagaga, dia anjely fito izay nitana ny loza fito farany satria ireny no hoenti-manatanteraka ny fahatezeran’Andriamanitra.
malagasy
[Ny amin'ny lovia fito nisy ny loza fito, izay nentin'ny anjely fito ka naidiny tamin'ny tany] Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny Ioza fito farany, Satria ireny no enti-mahatanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra.