Revelation 15:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Ianao ihany no masina ary ny firenena rehetra dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao; fa naharihary ny fitsarana marina nataonao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iza no tsy hatahotra sy hankalaza ny Anaranao. Tompo ô? Fa Ianao irery no masina, ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra, satria niseho miharihary ny fitsarànao!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iza no tsy hanaja Anao, ry Tompo? Iza no tsy hanome voninahitra Anao? Satria Ianao irery no masina, ka ho avy ny firenena rehetra hiankohoka eo anatrehanao, fa efa naharihary ny fitsaranao ara-drariny.»
Malagasy Bible 1865
Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Ianao ihany no masina ary ny firenena rehetra dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao; fa naharihary ny fitsarana marina nataonao.
malagasy