Revelation 15:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afaka izany dia nahita aho fa indro, novohana ny tempoly, dia ny tabernakelin’ny Vavolombelona any an-danitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Taorian’izany, indro hitako novohaina ny Tempoly nisy tranolain’ny fanambaràna tany an-danitra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany, dia hitako novohàna tany an-danitra ny tempoly nisy ilay fonena-masina itahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana;
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka izany, dia nahita aho fa, indro, novohana ny tempoly, dia ny tabernakelin'ny vavolombelona tany an-danitra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afaka izany dia nahita aho fa indro, novohana ny tempoly, dia ny tabernakelin’ny Vavolombelona any an-danitra.
malagasy
Ary rehefa afaka izany, dia nahita aho fa, indro, novohana ny tempoly, dia ny tabernakelin'ny vavolombelona tany an-danitra; [ Na: tao amin'] [ Dia ny Didy Folo]