Revelation 15:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny anjely fito izay nitana ny loza fito dia nivoaka avy tao amin’ny tempoly ary nanao akanjo rongony fotsy sady madio no mangatsakatsaka izy sady nitondra fehikibo volamena teo amin’ny tratrany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nivoaka avy tao amin’ny tempoly ny Anjely fito nitondra ny loza fito; niakanjo rongonim-bazaha fotsy mamirapiratra izy ireo, ary nietra fehikibo volamena nanodidina ny tratrany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary ny anjely fito izay nitana ny loza fito dia nivoaka avy tao amin’ny tempoly; akanjo madio mangatsakatsaka natao tamin’ny kiran-drongony no niakanjoany ary fehikibo volamena no nietrany.
Malagasy Bible 1865
ary ny anjely fito izay nanana ny loza fito dia nivoaka avy tao amin'ny tempoly, ary niravaka vato soa madio sy mamirapiratra izy sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny anjely fito izay nitana ny loza fito dia nivoaka avy tao amin’ny tempoly ary nanao akanjo rongony fotsy sady madio no mangatsakatsaka izy sady nitondra fehikibo volamena teo amin’ny tratrany.
malagasy
ary ny anjely fito izay nanana ny loza fito dia nivoaka avy tao amin'ny tempoly, ary niravaka vato soa madio sy mamirapiratra izy sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany. [ Na: (niakanjo rongony fotsy sady madio no mangatsakatsaka)]