Revelation 15:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny tempoly dia feno setroka noho ny voninahitr’Andriamanitra sy ny heriny, koa tsy nisy nahazo niditra tao amin’ny tempoly mandra-pahatanteraka ny loza fito noentin’ny anjely fito.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka feno setroka avy amin’ny voninahitr’Andriamanitra sy ny heriny ny Tempoly; ary tsy nisy afa-niditra tao amin’ny Tempoly mandra-pahatapitry ny loza fito nentin’ny Anjely fito.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny tempoly dia feno setroka avy amin’ny voninahitr’Andriamanitra sy ny heriny; ka tsy nisy afaka niditra tao amin’ny tempoly, mandra-pahatapitry ny loza fito nentin’ny anjely fito.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tempoly dia feno setroka avy tamin'ny voninahitr'Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy nahazo niditra tao amin'ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin'ny anjely fito.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny tempoly dia feno setroka noho ny voninahitr’Andriamanitra sy ny heriny, koa tsy nisy nahazo niditra tao amin’ny tempoly mandra-pahatanteraka ny loza fito noentin’ny anjely fito.
malagasy
Ary ny tempoly dia feno setroka avy tamin'ny voninahitr'Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy nahazo niditra tao amin'ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin'ny anjely fito.