Revelation 16:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nisy tselatra sy feo ary kotrokorana; nisy koa horohoron-tany mafy izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian’olona tetỳ ambonin’ny tany, eny, tsy mbola nisy horohoron-tany mafy sy lehibe toy izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka nisy tselatra sy feo ary kotro-baratra mbamin’ny horohoron-tany; tsy mbola nisy horohoron-tany mafy hoatra izany na oviana na oviana, hatrizay nisian’ny olona tetỳ ambonin’ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nisy tselatra sy kotrokorana aman-kotro-baratra; nisy koa horohorontany mafy, ka tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian’olona tetỳ ambonin’ny tany, satria tena horohorontany mafy sy mahery vaika.
Malagasy Bible 1865
Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian'olona tetỳ ambonin'ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nisy tselatra sy feo ary kotrokorana; nisy koa horohoron-tany mafy izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian’olona tetỳ ambonin’ny tany, eny, tsy mbola nisy horohoron-tany mafy sy lehibe toy izany.
malagasy