Revelation 16:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandeha ny voalohany dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ny tany. Dia nisy vay ratsy sady mampanaintaina tamin’ny olona izay nanana ny mariky ny bibidia sy niankohoka teo anatrehan’ny sariny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandeha ny voalohany, nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny tany, ka nisy vay ratsy sady nampijaly mafy namely ny olona izay nisy ny mariky ny Biby sy izay nivavaka tamin’ny sariny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandeha ny anjely voalohany nandraraka ny tao an-doviany tamin’ny tany; ka nisy vay mandoza sady mampahory nihatra tamin’ny olona izay nanana ny mariky ny biby sy nivavaka tamin’ny sariny.
Malagasy Bible 1865
Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandeha ny voalohany dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ny tany. Dia nisy vay ratsy sady mampanaintaina tamin’ny olona izay nanana ny mariky ny bibidia sy niankohoka teo anatrehan’ny sariny.
malagasy
Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny.