Revelation 16:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra teo amin’ny olona, milanja tokony ho talenta iray avy; ary niteny ratsy an’Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin’ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary ny olona nilatsahan’ny havandra vaventy be avy any an-danitra, sahabo ho lanjan-talenta iray ny iray, ka nanevateva an’Andriamanitra izy ireo, noho ny loza avy amin’ny havandra, fa loza lehibe loatra izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ny olona, nilatsahan’ny havandra vaventy avy tany an-danitra, dia havandra milanja tokony ho efapolo kilao ny anankiray. Ary nanevateva an’Andriamanitra ny olona noho ny loza vokatry ny havandra, fa lehibe loatra izany loza izany!
Malagasy Bible 1865
Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin'ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy; ary niteny ratsy an'Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin'ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra teo amin’ny olona, milanja tokony ho talenta* iray avy; ary niteny ratsy an’Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin’ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany.
malagasy
Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin'ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy; ary niteny ratsy an'Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin'ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany.