Revelation 17:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tonga ny anjely iray tamin’izy fito izay nitana ny lovia fito dia niteny tamiko hoe: Avia atỳ, dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe izay mipetraka eny ambonin’ny ranobe.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanatona ahy ny iray tamin’ny Anjely fito nitondra kapoaka fito, ka nanao tamiko hoe: «Avia, fa hasehoko anao ny fitsarana ilay Vehivavy janga malaza, mipetraka amin’ny rano lehibe maro,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanatona ahy ny anankiray tamin’ireo anjely fito izay nanana ny lovia fito, ka niteny tamiko nanao hoe: –Avia atỳ fa hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga malaza ratsy, izay mipetraka eo ambonin’ny ranobe.
Malagasy Bible 1865
Ary tonga ny anjely anankiray tamin'izy fito izay nanana ny lovia fito, dia niteny tamiko nanao hoe: Avia atỳ; dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe, izay mipetraka eny ambonin'ny rano maro,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tonga ny anjely iray tamin’izy fito izay nitana ny lovia fito dia niteny tamiko hoe: Avia atỳ, dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe izay mipetraka eny ambonin’ny ranobe.
malagasy
[Ny amin'ilay vehivavy janga (dia Babylona), izay nitaingina ny bibi-dia nivolon-jaky] Ary tonga ny anjely anankiray tamin'izy fito izay nanana ny lovia fito, dia niteny tamiko nanao hoe: Avia atỳ; dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe, izay mipetraka eny ambonin'ny rano maro,