Revelation 17:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny tandroka folo izay hitanao dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana fa mandray fahefana ho toa mpanjaka izy ireo, ora iray monja, miaraka amin’ny bibidia.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo tandroka folo efa hitanao indray, dia mpanjaka folo tsy mbola nahazo fanjakana, nefa handray fahefan’ny mpanjaka sy hiara-manjaka ora iray amin’ny Biby.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny tandroka folo, izay hitanao, dia mpanjaka folo tsy mbola nahazo fanjakana; kanefa handray fahefana maha mpanjaka izy ireo ka hanjaka mandritra ny adiny iray monja miaraka amin’ilay biby.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tandroka folo, izay hitanao, dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana; fa mandray fahefana ho toa mpanjaka iray ora miaraka amin'ny bibi-dia izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny tandroka folo izay hitanao dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana fa mandray fahefana ho toa mpanjaka izy ireo, ora iray monja, miaraka amin’ny bibidia.
malagasy
Ary ny tandroka folo, izay hitanao, dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana; fa mandray fahefana ho toa mpanjaka iray ora miaraka amin'ny bibi-dia izy.