Revelation 17:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo dia hiady amin’ny Zanak’ondry, ary ny Zanak’ondry dia haharesy azy, satria Tompon’ny tompo Izy ary Mpanjakan’ny mpanjaka, ary handresy azy koa izay momba Azy, dia olona voaantso sy voafidy ary mahatoky.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hiady amin’ny Zanak’ondry izy rehetra, nefa ho resin’ny Zanak’ondry, satria Izy no Tompon’ny tompo, sy Mpanjakan’ny mpanjaka, ary ny voaantso sy olom-boafidy sady mahatoky no momba Azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hiady amin’ny Zanakondry izy rehetra, nefa haharesy azy ny Zanakondry satria Izy no Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka; ary haharesy miaraka amin’ny Zanakondry koa ireo olona voaantso sy voafidy, dia ireo mpino Azy.
Malagasy Bible 1865
Ireo dia hiady amin'ny Zanak'ondry, ary ny Zanak'ondry haharesy azy, satria Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo dia hiady amin’ny Zanak’ondry, ary ny Zanak’ondry dia haharesy azy, satria Tompon’ny tompo Izy ary Mpanjakan’ny mpanjaka, ary handresy azy koa izay momba Azy, dia olona voaantso sy voafidy ary mahatoky.
malagasy